22 aprily — I Masindahy Alexandre dia martiry tao Lyon tamin'ny taona 177. Avy any Phrygie, any Asie Mineure i Alexandre, izany hoe i Turquie amin'izao fotoana izao. Mpitsabo tao Lyon izy. Navaivay mihitsy tamin'izany fotoana izany ny fanenjehana kristianina ka isan'ny voahenjika sy voaheloka tamin'izany i Alexandre.

Ny Sakramenta no manamasina ny Eglizy vahoakan'Andriamanitra ; tsy tanjona akory ny maha-zanaky ny Eglizy fa ny Eglizy indrindra aza no famantarana hita maso ny zavatra tsy hita maso : ny asa sy ny fisian'Andriamanitra eo amini'zao tontolo izao. Fitaovana anamasinan'Andriamanitra ny vahoakany ny Sakramenta, tsy natokana ho an'olom-bitsy ny fanamasinam-piainana ao amin'ny Eglizy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

22 avrily 2025 — Talata amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 11-18)

21 aprily — Teraka ny taona 1033 i Anselme, izy dia avy amin'ny fianakaviana andriana tao Aoste, Piémont. Mbola kely dia efa nampianarin'ny reniny ho tia an'Andriamanitra sy i Masina Maria izy. Vehivavy tia vavaka tokoa mantsy io renin'i Anselme io.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...