Dingana maromaro no tsy maintsy lalovana rehefa hikolokolo ny fahasalamana ny olona. Ary tsy misy azo tsinontsinoavina avokoa izany. Raha tiana ny hahazo fahasitranana ao anatin'ny fotoana tsy dia maharitra rehefa mitsabo, dia tsy maintsy omena lanja avokoa ireo dingana maromaro ireo.

 Fisorohana dingana voalohany

Ny fahasalamana no voalohan-karena hoy isika Malagasy, ary ny fikolokoloana azy dia adidy tsy maintsy tanterahan'ny olona rehetra manan'aina. Mandrakariva mantsy isika rehefa marary dia maika ny ho sitrana haingana, kanefa tsy mahavatra na tsy manome lanja izany fikolokoloana ny fahasalamana izany akory amin'ny fotoana tokony ilana azy. Na mbola salama aza dia tokony hanatanteraka ireto fisorohana ireto, fa tsy hiandry rehefa marary vao hihetsika.

  • Misakafo ara-pahasalamana : ahitana ny hery fiasana, ny hery fiarovana, ny hery fanorenana, ny sira mineraly isan-karazany, ny fisotroana rano madio sy amin'ny fatrany ara-dalàna : 1 litatra sy tapany isan'andro farafahakeliny;
  • Matory adiny valo farafahakeliny;
  • Miala sasatra araka ny tokony ho izy;
  • Mila mampiasa vatana kanefa tsy voatery hanao fanatanjahan-tena mahery vaika. Ny fandehanana tongotra ao anatin'ny 30 mn isanandro, na adiny telo isan-kerinandro da efa ampy;
  • Mandrindra ny tontolo iainana : ny fahadiovana, ny filaminana, ny fifandraisana amin'ny hafa;
  • Manatona mpitsabo eo akaiky rehefa misy tranga mampanahy.

Fisorohana dingana faharoa

  • Rehefa marary ianao ka tonga eo anatrehan'ny mpiatsabo, dia mahazo fampianarana ianao hitandremanao mba tsy hiveranan'ny aretina intsony.

Fisorohana dingana fahatelo

  • Raha sendra manana aretina mitaiza ianao dia ny mpitsabo ihany no afaka hitari-dàlana anao hahafahanao miaina miaraka amin'ny aretina mitaiza anao.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...