Tsy ny vehivavy ihany no mandalo dingam-piainana eo amin'ny fahasalamana ara-pananahana, fa ny lehilahy ihany koa, rehefa tonga amin'ny sehatra maha zokiolona. Ho an'ny vehivavy dia ilay antsoina amin'ny teny Frantsay hoe : ménopause ; ary ho an'ny lehilahy kosa dia ilay antsoina hoe : andropause. Mihena ny fiasan'ny taovam-pananahana. Hita soritra amin'ny fiovana eo amin'ny fivalanan-drano izany, sy ny tsy fahafahana manatanteraka firaisana ara-nofo araka ny tokony ho izy intsony.

Mila paik'ady isika amin'ny fitondran-tena iatrehana ny fiainana andavanandro, raha te hiaina am-pilaminana, an-kafaliana, an-kasambarana, na dia tsy misy aza ny fiainana tonga lafatra. Hanampy antsika amin'izany ny fahaizana mandanjalanja ny  : fahatokiana / fanahiana ; tompon'antoka / iharany ; miolon-ko azy/ mitodika amin'ny hafa.

Ny tsy fahazakana tsy fahombiazana na ny tsy fahazoana vokatra tsara, na ny tsy fahatanterahan'ny zavatra kendrena, dia noho ny tsy fahatokisan-tena manao zavatra, na mety tsy ho avy amin'ny tena ihany koa. Mety mahakivy izany, ary mety mahadiso fanantenana ka miteraka fikorontanan-tsaina na mety hiafara hatramin'ny famoizam-po mihitsy aza. Vokany : mampihenahena ny olona tratranay izany. Misy nefa ny azo atao eo anatrehan'izany.

Ny saina te hamantatra, mandinika, manontany, mikaroka ; ny fo mitepo, mampita, mizara amin'ny hafa ; ny saina tia mandamina, mitsara, manatanteraka fitsipi-pifehezana ; ary ny hetsika hanatanterahana ireo singa rehetra ireo, no manentana sy mandrindra ny fiainantsika olombelona, hahafahana manatsara ny tena sy manatsara ny fiainana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...