Ny safidy dia lalàm-piainana. Safidinao ny hiaina ny fahamarinana sy ny hahatsara ny fiainanao. Safidy ny hahatsara sy izay mba hanana ankohonana. Ny safidy dia mahatonga ny olona iray ho tompon'andraikitra. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny 20 aogositra 2023 no nanononan'i Frera Razafimandimby Michel Fabrice ny voady mandrakizay maha Salezianina azy. Ny lehibem-pikambanana eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy, i Mompera Bizimana Innocent no nitarika ny lamesa tao amin'ny Paroasy Masindahy Joany Bosco Ankofafa Fianarantsoa.
♦ Tontosa omaly ny fametrahana araka ny fomban'ny Eglizy an'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, ho Evekan'Antsirabe... ♦ Ny famelan-keloka no rivotra mamelona, manadio ny rivotra voaloton'ny fankahalana, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarany nandritra ny vavaka Angelus omaly... ♦ Tsy amin'ny fampiasan-kery na amin'ny fampiasana fitaovam-piadiana no hanorenana ny ho avy, fa amin'ny alalan'ny halemem-panahy, hoy ny Papa François, nandritra ny fihaonany, tao Roma, tamin'ireo vondron'olona mpino avy any Corée Atsimo, ny 16 septambra 2023...
♦ Hotanterahana ny 23 ka hatramin'ny 26 aogositra 2024 any Antsiranana ny Kôngresy Eokaristika fahatelo iombonan'ny Nosy eto Madagasikara... ♦ Manentana ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany mba hikatsaka hatrany ny fandriampahalemana ny Fiombonan'ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Afrika sy Madagasikara... ♦ Manao fitsidihana any Chine i Mgr Zuppi, Iraka manokan'ny Papa François...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco