Indraindray ny lahateny mamy dia mandrehitra indray ny afo mitsilopy ao am-pon'ireo izay tena mafy fo. Tena ilaina amin'ny fampiasana ny fitaovam-pifandraisn'ny mpiara-belona ny "miteny amin'ny fo" sy amim-pahalemam-panahy. Ezaka ny hanampiana ny olona hahay handinika tsara anatin'ny fitoniana sy hahay hamakafaka ny zava-misy. Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
♦ Nahemotra, raha tokony ho androany ny adihevitra teo amin'ny Minisitra sy ny Solombavam-bahoaka, momba ny tatitry ny asan'ny Governemanta. Voalaza fa vitsy ireo Solombavam-bahoaka tonga hanatrika izany teny Tsimbazaza... ♦ Mitaky fiarovana ireo mpiasan'ny fananan-tany amin'ilay hetsiky ny fitondrana, hizarana karatany 2 tapitrisa amin'ity taona ity. Velona ahiahy ny sendikan'ny Inspecteurs des domaines, satria efa maro ireo naman'izy ireo nogadraina amin'ny fanatanterahana hetsika toa izao... ♦ Nampidi-bola 38 tapitrisa Euros tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana ny asa tanana, tamin'ity taona ity. Misy ireo hetsika samihafa, hanamarihana ny Andro maneran-tany ho an'ny asa tanana, ao an-drenivohitra hatramin'ny sabotsy...
Ilaina eo amin'ny fiainana ny fitiavana sy ny fahamarinana ary ny fifampitokisana. Ireo telo ireo no mitondra ho amin'ny fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny fiainan'ny olona dia mitohy hatrany, avy nandranto fianarana dia mitohy any amin'ny sehatry ny asa na sehatra hafa, indrindra ny sehatry ny fanambadiana. Ny fitiavana dia : fahasamihafana, fifamenoana, fifanekena, fifaliana, tebiteby, fiainana lava be. Ny olona mifankatia dia mampisongadina ny fahasamihafàna ary tonga amin'ny fifamenoana, ary mifanaiky hifampitantana amin'ny fiainana. Ny dingam-piainana isan-karazany dia ampy hanefy ny olona ara-po hatanty ny ratram-po.
♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco