Ny zo, ny adidy ary ny andraikitra dia isany mampisy hasina sy haja ny olona tsirairay. Ny hasina sy ny haja dia nanana ny lanjany teo amin'ny Ntaolo Malagasy sy ny finoana Kristiana satria ny "hasina" no fototry ny "fahamasinana" ary ny "haja" no mametraka antsika amin'ny hoe "fahamboniana" ; Andriamanitra irery ihany anefa no manana io fahamboniana io avo indrindra.
9 jolay 2023 — Alahady Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-30)
Ny "prostate" dia taova madinika, ao amin'ny taovam-pananahan'ny lehilahy, ny vehivavy dia tsy misy an'io. Eo anelanelan'ireo taova kely miisa roa ireo no mandalo ny fantsona handehanan'ny pipi. Ny lanjany dia 15g hatramin'ny 25 g, ireo taova ireo dia mamokatra tsiranoka "liquide seminale", manampy ny tsirinaina ho tonga any amin'ny lalan-jaza. Misy karazany telo ny aretina : 1- prostatite izany hoe fanafihan'ny otrik'aretina, 2- Hypertrophie bénigne de la prostate izany hoe mivonto ny prostate, 3- ny homamiadan'ny prostate...
♦ Hotanterahana eny amin'ny kianja Soamandrakizay ny alahady 09 jolay 2023 ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra sy fankasitrahana an'i Mgr Odon Marie Arsène Rzanakolona, Arsevekan'Antananarivo nandritra ny 18 taona... ♦ Nanentana ireo ao anatin'ny tokantrano imaso hiroso amin'ny sakramentan'ny fanambadiana ny Vaomieran'ny Fianakaviana ao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Hitsidika an'i Mongolie ny 31 aogositra ka hatramin'ny 04 septambra 2023 ny Papa François...
Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny. Teraka ny 23 novambra 1974 tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco