Ny “temps de la création 2024" (Manantena sy mandray andraikitra miaraka amin’ny voahary rehetra) dia ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny Laudato Si’. Isan’ny manamarika izany isika eto Madagasikara ary efa eo am-pametrahana ny Mouvement Laudato Si’. Amin’izao dia efa manana mpanentana Laudato Si’ eo amin’ny 60isa i Madagasikara izay miparitaka amin’ny diosezy maromaro. Hampivondrona ireo rehetra misehatra eo amin’ny fiarovana ny Tranobe iombonana, indrindra ny eo anivon’ny Fiangonana Katolika no tanjona voalohany mba hahazoana vokatra mivainga sy miantraika amin’ny rehetra.... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
Masina Maria dia manolotra ny tenany manontolo ho amin'ny fitiavan'Andriamanitra ary namela Azy hifehy ny fiainany ; porofon'izany ny valin-teny nomeny an'Andriamanitra "Inty aho ankizy vavin'ny Tompo, aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao". Masina Maria dia miahy ny fahoriantsika zanany sy manohy ny fifonana ho antsika mpanota mahantra ankehitriny sy amin'ny ora hahafatesantsika... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
♦ Kasain'ny CENI hampidirina anaty lisi-pifidianana, ireo mpifidy tsy voasoratra anarana teo aloha. Nanatona sy nangata-panazavana teny Alarobia androany ny antoko TIM... ♦ Namoaka ny vinavina ho an'ny taom-pahavaratra ho avy io ny Foibe famantarana ny toetry ny andro androany. Rivodoza roa na dimy eo no handalo, ka hisy fiantraikany mivantana amin'i Madagasikara... ♦ Miroso ny famolavolana ilay paikadim-pirenena vaovao, hiadiana amin'ny kolikoly. Hiditra amin'ny dingana fahatelo izany, ka hisy ny fakan-kevitra isan-dohahevitra eto Antananarivo herinandro izao...
Ny fankahalana dia miteraka fahapotehana tanteraka. Ny olom-banona dia olona mitondra vokatra tsara ho an'ny ankohonany, fianakaviana ary ny fiaraha-monina. Mila mandini-tena ny tsirairay : mitondra filamenana ve izy tenany? manao ahoana ny fomba amam-panaony? Ny tsy fanajana fitsipika manimba ezaka maro. Ny fandrosoana na fahantrana dia tsy anjara na vintana fa safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco