♦ IPS : (International Primatology Society) Fikambanana iraisam-pirenena ivondronan'ireo mpikaroka momba ny rajako sy ny varika, manerantany, efa nisy telopolo taona izao... ♦ Fanaloka : biby antsoina koa hoe ridarida na ambolaolo, mirefy 455mm hatramin'ny 495mm ny vatrany ary 140-220mm ny rambony, milanja 1,6 hatramin'ny 2.1kg izy... ♦ Ny rivo-doza : Rivomahery miforona noho ny tsindrin'ny atimôsifera sy ny hafanan'ny ranomasina, mety mitondra tafiotra sy oram-baratra...
Alarobia 09 desambra 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 28-30 — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy.
♦ Covis-19, Faritra Diana : tafakatra 102 ireo olona voan'ny coronavirus, mety hiverina ao anatin'ny fihibohana iny faritra iny... ♦ Oram-baratra : hifandimby amin'ny faritra maro amin'ity herinandro ity, mbola tsy hilatsaka kosa ny any atsimon'ny nosy... ♦ Fanonganam-panjakana tsy nahomby tany Turquie tamin'ny taona 2016: mbola manome baiko hisambotr'olona 324 ny fitondràna...
Alahady 06 desambra 2020 — Alahady faharoa amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 1-8 — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany ; dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco