Nahavory olona maro ny andro voalohan'ny foara iraisam-pirenena ho an'ny toe-karena eny ambanivohitra na ny FIER MADA andiany faha-22, tanterahana eny amin'ny kianjan'i Makis Andohatapenaka ao Antananarivo-Renivohitra. Foara nanomboka ny alarobia 04 aogosiatra hatramin'ny alahady 08 aogositra ho avy izao.
Noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny 06 aosgositra 2021 i Sr Rafaraonisoa Blandine, malagasy voalohany voatendry ho lehiben’ny Fikambanana Masera Filles de Marie auxiliatrice eto Madagasikara- Province "Marie Source de vie". Haharitra enin-taona ny fotoam-piasany.
Izay mahakolokolo manana ny soa, hoy ny fiteny. Raha te hahira-tsaina dia tsara raha tia karokaroka ny tanora mba tsy ho arafesina ny saina ary mba hanitaram-pahalalana. Hampandrosoana ny pastoralin'ny tanora dia omena lanja ireto roa ireto hoy ny Papa Fransoa : Fikarohana sy fitomboana. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
♦ Nahazo fahafahana vonjy maika ny efatra amin'ireo voarohirohy amin'ilay raharaha fikasana hamono mpitondra ambony eto amin'ny firenena "Apollo 21". Hitohy rahampitso indray ny fitsarana ity raharaha ity... ♦ Mitaraina ny fikambanan'ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, amin'ny fahasahiranan'ny ray aman-dreny mampiditra mpianatra eny amin'izy ireo. Miantso ny fitondrana handray andraikitra koa ity fikambanana ity, amin'ny fidangan'ny vidin'ny fitaovam-pianarana amin'izao...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco