Mba hitazomana ny fahasalaman'ny volo sy ny hodi-doha dia tokony hanasa loha in-dray isaky ny herinandro farafaharatsiny, ary tokony ho jerena tsara ny kalitaon'ny savony hampiasaina sy ireo ankora haosotra. Rehefa manasa loha dia ezahina tsara mba tsy hisy rano-tsavony na ankora hafa tavela, noho izany dia atao tsara kobana. Raha vao misy fisehoana zavatra mampiahiahy ny hodi-doha dia tokony hamonjy toeram-pitsaboina...
♦ Nitsidika ny VDKT Tsiroanomandidy ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora, hanamafy ny fanentanana amin'ny fandraisana anjara amin'ny JMJ Mada X... ♦ Tontosa ny 7 mey 2022, ny fankalazana ny faha-100 taonan'ny Sekoly Katôlika Victoire Rasoamanarivo, ao Mananjary... ♦ Nanao filan-kevitra nasiônaly tsy ara-potoana ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara...
Manohy ny sehatr'asany any amin'ny distrikan'i Bealalana Faritra Sofia amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny Ambohimangakely, distrikan'Antananarivo-Avaradrano. Tetik'asa tanterahana mandritra ity taona ity ary kaominina roa no hanaovana izany...
Ny malagasy dia mametraka ny fihavanana sy ny firaisan-kina ho soatoavina, maika lavitra noho izany àry ho an'ny kristiana satria "mitia hatramin'ny fahavalo" araka ny nangatahan'i Jesoa Kristy. Ny ray aman-dreny dia mampita io soatoavina io amin'ny zanany satria " mahita ny ataon'ireo lehibe ireo ao an-trano ny zanaka", ary mihitatra any amin'ny fiaraha-monina sy ny manodidina izany. Manampy ny mpivady hiaina ny fifankatiavana marina ny "Mariazy mirindra" ka manolotra faran'ny herinandro fototra amin'ny volana Jona.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco