Na mbola tsy mahalala kolikoly aza ny zaza dia efa misy fanabeazana azo atao mba tsy hitodika amin'izany izy. Na tsy resahana ny zaza àry ny hoe kolikoly dia ny fomba fihetsika manoloana azy mihitsy no mila tandremana mba tsy hampirona azy amin'izany. Tsy ny resa-bola ihany no endrika isehoan'ny kolikoly fa maro ary isan'izany ny fomba fiteny, ka eo indrindra no miditra ny fanabeazana ny toe-tsain'ny zaza dieny mbola kely izy...
Vehivavy tsy mba maro teny na be finari-bava i Maria, misy zavatra maika sy manan-danja kokoa aminy noho izay mety ho dindony na fijery azy ivelany. Ny tenany dia tsy mba faritany amin'ny firentiny ivelany fa miaina kosa ny tena maha izy azy marina. Fantany fa tsy maintsy mikolo ny tena izy tsy misy ankosotra sy ny fitiavany lalina ny Zanak'Andriamanitra sy ireo anadahy sy rahavavy rehetra, ankehitriny sy mbola ho avy izy. Tsapany tsara fa ny fitiavana dia mahay mampiely ny tenany sy miseho amin'ny tena izy. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahatelo.
17 mey 2023 — Alarobia, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 12-15)
♦ Tsy manaiky ny hisian'ny fitondrana tetezamita ny Solombavam-bahoaka avy amin'ny antoko TIM. Manohana ny dinika eo amin'ny hery velona samihafa mialoha ny hirosoana amin'ny fifidianana kosa izy ireo... ♦ Natomboka androany ny hetsika fanaovam-bakisiny miaro amin'ny lefakozatra. Zaza latsaky ny 5 taona, maherin'ny 3 hetsy sy 5 tapitrisa, no kendrena ho vita vakisiny amin'ny Faritra 23, mandritra ny efatra andro... ♦ Nitsidika ny AFT eny Andavamamba, ny Sekreteram-panjakana frantsay, miadidy ny fampandrosoana, ny frankôfônia ary ny fiaraha-miombona antoka iraisam-pirenena...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco