♦ Nifantoka tamin'ny fomba hanampiana ireo olona tsy manana sora-piankohonana sy ny kara-panondrom-pirenena ary ny ady amin'ny kolikoly ny fihaonamben'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara... ♦ Miaina ao anatin'ny tebiteby noho ny tsy fandriam-pahalemana ny vahoaka ao amin'ny Faritra Melaky. Mangataka ny fanomezan-tanana avy amin'ny fanjakana mahefa ny Fiangonana mba hamahana ny olana...
Ny fanampiana dia azo atao amin'ny fomba maro : fotoana, fahalalana, talenta, fananana, vola. Raha misy ny faharesen-dahatra noho ny fanarahana ny fandaharana "mba ho vanona" dia tanteraho fa hanova ny fiainanao. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ "Ambony noho ny zavatra rehetra ary masina ny zaza ao am-bohoka, na tsy fidiny na nirina, na nampoizina na tsia, satria avy amin'Andriamanitra ny aina", hoy ny eveka eto Madagasikara... ♦ Nankalazaina androany ny fetin'i Masindahy Joany Paoly Faharoa. Nankalaza izany ny Fikambanan'ny pretra Spiritains any Antsiranana sy ny Lycée Saint Jean-Paul II ao Mandritsara, Port-Bergé...
Ny fifanampiana eo amin'ny olona roa na mpivady na mpianaka dia mampifanaiky am-po ary miteraka fifampitokisana ka mahatonga fahatsaram-piainana eo amin'ny fifandraisana. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco