♦ Niteraka rasabe ilay vaovao niparitaka momba ny fizakan'Andriamatoa Andry Rajoelina ny zom-pirenena frantsay, nefa Filoham-pirenena Malagasy. Nanamly ny momba izany ny Minisitry ny Serasera androany, raha nanontanian'ny mpanao gazety... ♦ Nivoaka alina ny didim-panjakana mamaritra ny karama farany ambany eto Madagasikara amin'ity taona ity. Nampiaka-peo ny Randrana Sendikaly, nilaza fa sahy mampidina ny karaman'ny mpiasa ny fanjakana, tamin'ny famoahana didim-panjakana...
Ny mpiara-miombon'antoka dia tokony iaina ny fahamarinana, ny fifampitokisana ary ny fifanajana. Ireo toetra fototra ireo dia hampiarina amin'ny sehatra rehetra izay hisian'ny fiombonan'antoka. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Ny fampinonoan-dreny dia dinga iray eo amin'ny fitondrana ny zanaka ary adidin'ny reny. Ny fotoana ahafantarana fa mitondra vohoka ny vehivavy dia efa tokony hivonona amin'ny fampinonona izay ho reny. Ny nonon-dreny dia manampy ny zaza amin'ny fitomboany satria mbola marefo ny taova ao anatiny, sady sakafo no vaksiny ho an'ilay zaza. Ny fampinonoan-dreny dia manampy ny reny hamerina ny toe-batany sy ny taova rehetra. Ny fampinonoan-dreny dia atao tsy misy fangarony anatin'ny 6 volana.
14 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafolo Madavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco