♦ Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy, ny alahady voalohany amin'ny Karemy, ny hira fanevan'ny JMJ Mada faha-10... ♦ Kristianina dimy amby efapolo no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Aomônerian'ny Miaramila, nandritra ny fitsidihana pastôraly nataon'ny Arsevekan'Antsiranana, ny alahady 6 marsa 2022... ♦ Nanatitra sakafo sy fanafody ireo mpiasa rehetra tao Vatican androany, ho firaisam-po amin'ny Papa François amin'ireo lasibatry ny ady any Ukraine...
♦ Mitondra antsika amin'ny fanantenan'ny fitsanganan-ko velona, ny fanombohantsika ny Karemy amin'ny lavenona, hoy i Mgr Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Famantarana sy fahafahana ny fahalavan'ny andro iainana, hoy ny Papa François... ♦ Niombom-peo sy nanamafy ny antson'ny Papa François, ireo Kardinaly mandrafitra ny Curie Romaine, mba hivavahana ho an'ny fandriampahalemana
Mandalo ny fiainana "olom-banona" vao afaka miaina ny maha "olom-pirenena", manana adidy sy andraikitra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Manao antso avo amin'ireo Diôsezy rehetra mba handefa avy hatrany ny fanampiana ho an'ireo tra-boina any atsimo atsinanan'ny nosy, ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka, Mgr Fabien Raharilamboniaina... ♦ Manadino tanteraka ny maha olona izay mahatonga ny ady, hoy ny Papa François... ♦ Tafajoro amin'ny fomba ôfisialy ny Fikambanana masina "Garde d'Honneur Fo Masin'i Jesoa", ao amin'ny Diôsezin'i Morombe...
• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco