Ny fanalan-jaza dia raràn'ny lalàna, araka ny voafaritra ao anatin'ny "code penal" art -316-317, eo anatrehan'ny lalàn'ny fiangonana ihany koa dia fahotana mahafaty ity fomba iray ity, dia ny fanalan-jaza iniana hatao. Ny mahatonga ny fahafahan-jaza tampoka dia tsy fahatomombanana eo amin'ny fiforonany (Chromosome), olan'ny tranon-jaza, Misy fivontosana (fibrome), diabeta tsy voalamina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Nizotra araka ny namaritana azy ny sehatr’asan’ny tetik’asa Profi-Lait tamin’iny taona 2025 lasa iny. Niakatra ny taham-bokatra hoan’ireo mpamokatra miara-miasa amin’ny tetik’asa noho ny fampidirana an’ireo haitao ara-teknika niainga tamin’ny fanatsaràna ny sakafon’ny omby sy ny fanatsaràna ny taranaka. Iray amin’ny tetik’asa tantatan’ny Malagasy Dairy Board na ny MDB anatin’ny fandaharan’asa AFAFI Centre tohanan’ny Vondrona Eraopeana vola ny Profi-Lait Plus.
Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana no hankalazaina ny sabotsy 24 Janoary 2026 izao, izay andraisana ny lohahevitra mikasika ny fanabeazana ara-pahasalamana hafahan’ny isam-batan’olona mandray ny fahalalàna mivoatra hananana fomba fiaina raikitra misoroka aretina. Ny fanabeazana ara-pahasalamana dia dingana fanabeazana izay mikendry ny hanatsaràna ny fahasalaman’ny olona tsirairay sy ny fiaraha-monina... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Mifamahofaho ny vaovao momba ny nanendrena an'Andriamatoa Serge Vital, hitantana ny Kaominin'i Toliara. Nilaza ho tsy nanao sonia ny fanendrena azy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana... • Ho tonga amin'ny volana febroary izao ny vakisiny fanefitry ny MPOX. Faritra telo eto Madagasikara sisa tsy ahitana trangan'ity aretina nendran-drajako ity, hoy ny teo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka androany... • Miverina ny sidina mampitohy an'i Toamasina sy i Sainte Marie, hatrany Sambava sy Antalaha, rehefa tsy nisy intsony an-taonany maro. Nosantarina tamin'ny fomba ofisialy nanomboka androany izany...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco