Alarobia 13 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8 — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.
Tsy afaka haharitra ny hiakan’ny tany sy ny antsoantson'ny mahantra, hoy ny Papa François, manentana antsika hanamarika ny herinandron’ny « Laudato Si’ » ny 16 ka hatramin’ny 24 mai 2020. Amin’io fotoana miavaka io, hiombom-po ny katolika eran’izao tontolo izao, handalina, hivavaka, miaraka hanomana ny hoavy tsara kokoa.
Alahady 10 mey 2020 — Alahady fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-12 — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.
Ho feno zato taona amin’ny 18 Mai izao ny nahaterahan’i Karol WOJTYLA izay lasa Papa Joany Paoly faharoa ary efa olomasina ankehitriny.
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco