Alahady fahadimy amin'ny karemy : Te hihavana amintsika Andriamanitra ; raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran'ny mpanompoko. Miantefa amintsika Kristiana ankehitriny ny fanirian'Andriamanitra, te ho Andriamanitsika Andriamanitra. Mila mandini-tena isika ka mametraka fanontaniana hoe : efa mifanaraka amin'ny antson'Andriamanitra ve ny atao rehetra, ekeko ve ny fitantanan'i Kristy, mitombo ve ny fifandraisako amin'Andriamanitra?. Ny famonjena dia tsy natao ho an'ny Jody irery fa ho an'ny firenena rehetra. Ny fitiavana sy ny fanoloratena dia mety hitondra fijaliana sy fahafatesana, izay mitia na tiavina dia mahatsapa sambatra sy faly, izany no maha voambary nafafy antsika, maty vao velona...
♦ Nifantoka tamin'ny fikatsahana ny hafaliana amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny Sinaodin'ny Diôsezin'i Farafangana, notanterahina ny 11 hatarmin'ny 15 marsa 2024... ♦ Mila mizotra mankany amin'ny lalan'ny hatsaram-panahy sy ny fitondran-tena marina isika, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy ny alarobia 13 marsa 2024... ♦ Nanamarika ny faha-11 taona naha teo amin'ny Fiketrahana masina ny Papa François ny antso amin'ny fampitsaharana ny ady sy ny fifampidinihana ho amin'ny fandriampahalemana...
♦ Rariny ny fitombon'ny isan'ireo Solombavam-bahoaka, raha hoarina amin'ny isan'ny mponina amin'izao, hoy ny KMF/CNOE... ♦ Nampikaikaika ny mpanjifa ny fiakaran'ny vidin'ny siramamy hatrany amin'ny 6.200 Ariary isan-kilao. Ny fiakaran'ny haban-tseranana 32% no anisan'ny anton'izany, hoy ny fikambanana PMH... ♦ Naneho ny alahelony amin'ny tsy fisian'ny herinaratry ny JIRAMA ao Toamasina, ny Solombavam-bahoka Rolland Ratsiraka, androany. Efa tena fanaovana ho tsinontsinona ny vahoaka izany, hoy izy...
♦ Manohana an'i Madagasikara hanatsara ny fomba fiasan'ny fandintseranana malagasy, ny Governemanta Amerikana, amin'ny alalan'ny USAID... ♦ Manatevina ny isan'ireo teknisianina misehatra amin'ny ala, ny ao amin'ny Minisiteran'ny Fiarovana ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Mpiofana 30 no noraisina teny amin'ny Soanala Ambatobe, androany... ♦ Mitohy ao amin'ny kaominina miisa telo, any amin'ny Faritra Alaotra Mangoro, ny fandrakofana ala ny tetezan'ala Ankeniheny Zahamena, ataon'ny Foibe FAFIALA. Tetikasa dingana faha-2 nankinin'ny Conservation Internationale amin'izy ireo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco