Naneho ny firaisampony amin'ny vahoaka aostraliana manoloana ireo fahavoazana goavana ateraky ny doro tanety sy ny doro ala any Australie ny Papa François, tao anatin'ny Audience Générale tamin'ny alarobia 8 janoary teo.
(08-01-2020) Midika zava-dehibe eo amin'ny fiainan'ny Malagasy ny lokon'ny sainam-pirenena, ny fotsy, ny mena ary ny maintso.
Heloka ny fanilihana ny zokiolona, hoy ny Papa François. Mizaka ny tsy eran'ny aina izy ireo noho ny fitiavan-tenan'ny fiaraha-monina ankehitriny. Katesizin'ny Papa François momba ny fianakaviana, miaraka amin'ny P. Justolat Rafaralahimboa.
Nampahafantarin'ny sampana miandraikitra ny litorjia ao Vatican, omaly 7 janoary, ny fandaharam-potoanan'i Papa François hatramin'ny volana febroary.
♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco