Nampahafantarin'ny sampana miandraikitra ny litorjia ao Vatican, omaly 7 janoary, ny fandaharam-potoanan'i Papa François hatramin'ny volana febroary.

Isan'ny hisongadina amin'izany ny hitarihany ny Eokaristia Masina any BARI, tanàna any atsimo atsinanan'Italie, amin'ny alahady 23 febroary, hamaranana ilay fihaonana antsoina hoe: "Méditerranée, frontière de paix", andraisan'irei Eveka manodidina ny faritra mediteraneana anjara. Mialoha izany anefa dia hitarika ny Eokaristia Masina hahatsiarovana ny nanaovana Batemy an'i Jesoa ao amin'ny Chapelle Sixtine i Papa François, ny alahady 12 janoary izao. Hisy zaza maromaro handray ny sakramentan'ny Batemy koa amin'io fotoana io. Hitarika ny famaranana ny herinandro fiaraha-mivavaka fiombonan'ny kristianina na ny firaisam-pinoana, andiany faha-23, ao amin'ny Bazilikan'i Saint-Paul-hors-les-Murs, izy ny harivan'ny sabotsy 25 janoary izao. Ny harivan'ny sabotsy voalohan'ny volana febroary kosa no hitarihany ny Lames ao amin'ny Bazilkan'i Masindahy Piera, hahatsiarovana ny nanalorana ny Tompo tao an-tempoly sy hanamarihana ny andro manerantany ho an'ny fiainana voatokana, andiany faha-24.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...