Alahady 12 aprily 2026 : Alahady faharoa - Taona A fankalazana ny Paka - MIfalia sy mifankatiava ao amin’ny Tompo. Aleloia. Aleloia. Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; fa sambatra izay tsy nahita ka mino. Aleloia. Ny fitsanganan-ko velona dia tsy voafehin'ny toerana sy ny fotoana, ary tsy voafehin'izao tontolo izao satria efa nandresy an'izao tontolo izao ary velona i Jesoa. Velona i Jesoa ary velona mameno izao rehetra izao. Andriamanitra dia tsy manilika ny olombelona fa miantso mba hiraikitra aminy ary miantso ny olombelona hanana fiombonam-pisainana sy fiombonam-piainana...
Ny talata 7 avrily, andro iraisam-pirenena ho an'ny fahasalamana nisian'ny fanentanana ny olona rehetra hazoto amin'ny fitiliana ; ny 24 marsa moa no andro iraisam-pirenena hiadiana amin'ny "Raboka". Efa ela no nisy ny aretina "Raboka" ary efa misy ny vaksiny BCG (Bacille de Calmette et Guérin) hiarovana ny olona ; raha tsy vita ara-potoana ny fitsaboana dia mahafaty fa raha araka tsara ny fepetra fitsaboana dia azo antoka ny hasitrànana, ny fitsaboana dia maimaimpoana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 20 taona mahery. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombontsoa hoy ny mpitarika, Ranaivoarison Basile (Papa Bio). Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...
Tapa-kevitra hamaky lalana vaovao, hamahana ny olana momba ny fifaneraserana ao aminy sy ny manodidina azy, ny kaominina ambanivohitra Antsapanimahazo distrikan’i Faratsiho faritr’i Vakinakaratra. Mizaka ny tsy eran’ny ainy amin’ny fifamezivezena sy ny famoaham-bokatra ary ny fitondrana ny marary any amin’ny toeram-pitsaboana ny mponina ao an-toerana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco