♦ Nangingina ny fitokanana ny seranam-piaramanidina vaovao ety Ivato androany. Ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Fizahan-tany no nitokana azy ; tsy nanatrika ny Filoham-pirenena... ♦ Tsy miombon-kevitra amin'ireo fepetra noraisin'ny fitondrana nandritra ny Filankevitry ny ministra, manoloana ny fiparitahan'ny Covid-19, ny Solombavam-bahoaka Rolland Ratsiraka. Tsy vahaolana ho an'ny firenena izany, hoy izy, manoloana ny zava-misy...
Misy ny olona voasokajy ho vahoaka fotsiny fa tsy olom-pirenena. Ahoana ary ny hanomanana sy hamolavolana ny Malagasy ho tena olom-pirenena mahalala sy mahafantatra ny adidiny sy ny andraikiny ? Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Alarobia 15 desambra 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Tongava, ry Tompo, ary aza ela: vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 19-23
♦ Nitokana ny asa-panitarana sy ny fanatsarana ny sampana vonjy aina tao amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona androany, ny Filoham-pirenena... ♦ Nanomboka androany ary haharitra hateloana ny Kôngresy Nasiônali'ny SECES. Hotanterahana mandritra izany ny fifidianana ny Birao Nasiônaly... ♦ Nanambara ny Tale Jeneralin'ny Fadin-tseranana fa mbola mitohy ny raharaham-pitsarana ny volamena 73kg mahery, tratra tatsy Afrika Atsimo...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco