♦ Mety ho fandraisana anjara farany ho an'ireo Minisitra sasany eo anivon'ny Governemanta, ny Filankevitry ny Minisitra teny Iavoloha omaly. Tombanana hisy fanovana governemanta ato ho ato, raha ny vaovao efa miparitaka amin'izao... ♦ Manambana hanao hetsika mafampana amin'izay ireo mpiasam-panjakana tsy nisitraka ny tambim-pandehanana hisotro ronono, nanomboka ny taona 2019. Misy 4000 any ho any izy ireo ankehitriny, no misedra izany olana izany... ♦ Hisokatra manomboka ny 1 marsa 2023 izao, ny taom-panjonoana makamba, manerana ny fari-dranomasin'i Madagasikara...
Manova zavatra sy manatsara fiaraha-monina ny fitiavana sy ny fifanajana. Entanina ny rehetra hanao ezaka hiaina sy hametraka fitiavana ao am-po, hampirindra ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny faha-11 febroary ny andro fankalazana ny andron'ny marary. Ny fahasalamam-bahoaka dia ireo mety mahakasika ny fahasalaman'ny olona maro, sokajin'olona na vondron'olona. Misy ny aretina mety ahazo ny daholobe, ohatra ny tazomoka. Maro ny olona no tsy taitra amin'ny aretina mety mihanaka haingana. Ny fahasalamam-bahoaka dia ilaina araha-maso akaiky mba ahafahana misoroka, mamolavola paik'ady hanatsarana sy hitandroana ny fahasalaman'ny daholobe. Fianarana manokana mihitsy ny sampana mikirakira ny fahasalamam-bahoaka. Ireo aretina tsonitsoniavin'ny olona dia matetika avy amin'ny otrik'aretina, izay tsy voatandrin'ny olona ; eo koa ny avy amin'ny kankana. Ho fisorohana ny aretina maro dia ny fanajana ny fahadiovana...
Alarobia 15 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 22-26)
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco