Hankalaza ny andron'ny 8 marsa, andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy ny vehivavy. Tsy diso anjara amin'izany ny malagasy vehivavy tantsaha. Any Toamasina no hanaovana ny hetsika ôfisialy ; maro ny hetsika hanehoana izany... Maro ireo fikambanam-behivavy misiki-ponitra miantsehatra amin'ny fampivoarana ny famokarana any amin'ny toerana misy azy na ny famokarana tantanam-pianakaviana eto Madagasikara.
Volana marsa no hiresahana manokana ny zon'ny vehivavy. Marihana isaky ny 8 marsa ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivevy. Maro no mihevitra fa fety fotsiny io andro io, tsy izay anefa fa fotoana iray hahafahana mampatsiahy ireo karazan-jo hananan'ny vehivavy sy hitakiana ireo zo mbola tsy voahaja. Betsaka ny zon'ny vehivavy izay voahosihosy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ny firenena izay manaiky ny fanalan-jaza ho ara-dalàna dia tsy mba firenena hampianatra ny olona ao aminy hitia, fa manome lanja ny herisetra mba hahazahoana izay ilainy. Izany no mahatonga ny fanalan-jaza ho fitaovana iray mamotika ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana eto an-tany. Na mbola tsy äry tongotra sy tanana azy ny atody ao ankibon'ny vehivavy dia efa aina. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
♦ Hitombo ny isan'ireo Solombavam-bahoaka handrafitra ny Antenimieram-pirenena. Misy ny kajikajy pôlitika ataon'ny fitondrana amin'izany, hoy ireo mpisehatra pôlitika sasantsasany... ♦ Nanamafy ny hirosoana amin'ny fampiharana ilay lalàna vaovao ho an'ireo mpanolana zaza ny Filoham-pirenena, androany... ♦ Nitombo avo enina heny, raha mitaha tamin'ny telo taona lasa, ireo Malagasy manao fizahan-tany anatiny. Tafakatra 63.000 ny isan'izy ireo tamin'ny taona 2023, araka ny antontan'isan'ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahan-tany...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco