♦ Rariny ny fitombon'ny isan'ireo Solombavam-bahoaka, raha hoarina amin'ny isan'ny mponina amin'izao, hoy ny KMF/CNOE... ♦ Nampikaikaika ny mpanjifa ny fiakaran'ny vidin'ny siramamy hatrany amin'ny 6.200 Ariary isan-kilao. Ny fiakaran'ny haban-tseranana 32% no anisan'ny anton'izany, hoy ny fikambanana PMH... ♦ Naneho ny alahelony amin'ny tsy fisian'ny herinaratry ny JIRAMA ao Toamasina, ny Solombavam-bahoka Rolland Ratsiraka, androany. Efa tena fanaovana ho tsinontsinona ny vahoaka izany, hoy izy...
Tsy misy "fièvre jaune" eto Madagasikara fa matoa mavomavo ny hoditra na ny maso na ny tanana dia satria misy fiparitahan'ny ranon'afero ao anatin'ny lalan-drà. Raha ny fambara "ngorongosy" no mitranga amin'ny olona iray dia tokony hamonjy tobi-pahasalamana haingana ; tsy maintsy manao fialantsasatra tsara ny olona tsy salama, satria tsy tomombana ny asan'ny aty raha toa ka reraka. Ny hepatita "A" dia mifindra amin'ny alalan'ny zavatra miditra ao am-bava, avy amin'ny sakafo. Fambara : miloko mavo ny faritra amin'ny vatana, mandoa miloko, fiakaran'ny hafanana. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
13 marsa 2024 — Alarobia, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 17-30)
♦ Manohana an'i Madagasikara hanatsara ny fomba fiasan'ny fandintseranana malagasy, ny Governemanta Amerikana, amin'ny alalan'ny USAID... ♦ Manatevina ny isan'ireo teknisianina misehatra amin'ny ala, ny ao amin'ny Minisiteran'ny Fiarovana ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Mpiofana 30 no noraisina teny amin'ny Soanala Ambatobe, androany... ♦ Mitohy ao amin'ny kaominina miisa telo, any amin'ny Faritra Alaotra Mangoro, ny fandrakofana ala ny tetezan'ala Ankeniheny Zahamena, ataon'ny Foibe FAFIALA. Tetikasa dingana faha-2 nankinin'ny Conservation Internationale amin'izy ireo...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco