Ny 21 septambra no fanamarihana ny andro eran-tany ho an'ny aretina alzheimer. Tamin'ny taona 1906 no nahitan'i Dr Aloïs Alzheimer, ity aretina ity ary nampitondrainy ny anarany. Ny Aretina alzheimer dia vokatry ny fahasimban'ny sela ao amin'ny faritra maromaro ao amin'ny atidoha ary misy akony amin'ny fiasany. Ny salan-taonan'ny olona mety ho tratry ny aretina dia eo ho eo amin'ny 65 taona eo.
♦ Fanamasinana ho pretra sy ho diakra, fankalazana ny taom-bolafotsin'ny FFVA, ary fitsofan-drano ireo mpitarika APV : ireo no hanamarika ny ivon'ny fankalazana ny faha-160 taona nitoriana an-kalalahana ny finoana teto Iarivo, amin'ny alahady 26 septambra izao... ♦ Nomarihana tamin'ny faran'ny herinandro teo ny fetin'ny Lakroa Masina, mpiaro ny Aumônerie Catholique Militaire ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina... ♦ Namoaka ny laharana voalohany amin'ny tahirin-kevitra siantifika "Ilon-tsaina" ny Ivon-teorana Arrupe eny Faravohitra, eo ambany fiahian'ny Fikambanan'i Jesoa...
Mbola manohy ny sehatr'asany hatrany ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny amin'ny kaominina Ambohimangakely, distrika Antananarivo-Avaradrano. Na teo aza ny fahasahiranana samihafa nolalovana isan'izany ny valan'aretina covid-19, mbola mijoro ary manohana ity Foibe ity ny mpiara-miombon'antoka samihafa...
Miantoka ny fahasalamana sy ny fahatokisan-tena ny nify ka mila fanaraha-maso sy fikarakarana tsy an-kiato. Maro ny antony samihafa toy ny tahotra, ny ara-bola, ny tsaho, ny finoanoampoana isan-karazany mahatonga ny olona tsy hikarakara loatra ny nify. Vokatr'izany ratsy ny nify, mitarika aretina maro sy tsy fahatokisan-tena eo amin'ny fifandraisana aman'olona.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco