♦ Manamafy ny fitakiana efa nataony hatramin'izay ny amin'ny tokony hahatongavan'ny volavolan-dalana vaovao momba ny fitantanam-bola ara-potoana, eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny firaisa-monim-pirenena... ♦ Nahavita ny iraka nampanaovina azy ny Foibe Fafiala, nandritra ny 30 taona nijoroanany. Tantsaha an'arivony, niampy teknisianina samihafa no nofanin'izy ireo amin'ny famokarna miaro ny tontolo iainana...
Fiaraha-miasa amin'ny zokiolona : misy harena miafina ao amin'ireny zokiolona ireny, koa amporisihana ny tanora mba hahay hiara-hiasa amin'ireny eo am-panorenana ny ho avy. Raha misy olon-kendry hitanao dia hatony vao maraina ary ataovy masaky ny tongotrao ny tokonam-baravarany. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
♦ Any amin'ny Diôsezin'i Mananjary indray no hanatontosana ny Andron'ny Lahika amin'ny taona 2022... ♦ Hitan'i Jesoa ny fifanoherana teo amin'ny fihetsik'ireo mpanora-dalana sy ilay vehivavy mpitondra tena, tao an-tempoly. Nifantoka tamin'io Evanjely io omaly io, ny fampianarana nentin'ny Papa tamin'ny Angelus... ♦ Fahatsirovana, fitiavana ary fankaherezana no hevitra telo nasongadin'ny Papa tamin'ny toriteniny, nanamarihana ny faha-60 taonan'ny sampana fandalinana ny fitsaboana sy fandidiana tao amin'ny Oniversiten'ny Fo Masin'i Jesoa tao Roma...
Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny aina ary voa-janahary ho an'ny olombelona ny fiarovana azy. Ny fanatsaharana vohoka na inona inona antony dia fanalan-jaza izany. Fandaharana iresahana ny lalàna moraly sy ny aina, miaraka amin'i P. Séraphin Rafanomezantsoa, Mpampianatra UCM Ambatoroka
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco