Ny olombelona dia tsy vatana fotsiny ihany fa saina sy fanahy ihany koa. Tsy olombelona manana filàna ara-batana fotsiny aho, fa olona manam-panahy ihany koa ka manana filàna ara-panahy. Ny fahalalana ara-tsiansa ananako mikasika ny tena dia tsy mahalaza ny zavatra rehetra momba ahy. Ny maha-olona feno ahy dia izao zava-boahary mari-toerana tsara. Misy aho ary velona satria manana vatana, saina, fihetseham-po, filàna ara-piaraha-monina sy ffandraisana ara-panahy amin'Andriamanitra...
Ny fiadanana tian'i Jesoa ampanjakaina eto an-tany dia ny fampahalalana izany atao hoe lanitra izany. Ny lanitra tiana ho lazaina dia ny fisian'Andriamanitra eo amin'ny fiainan'ny olombelona ; Andriamanitra manjaka eo amin'ny fianana ; olombelona matahotra an'Andriamanitra amin'izay ataony rehetra ka miezaka manaja ny hafa ary ny natiora, manampy antsika ho sambatra. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny fiadanana ety an-tany, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Jean Émilien Louis Marc.
♦ Nahatontosa ny atrik'asa fandravonana entina hiatrika ny Sinaody momba ny "Eglizy miara-dia", eo amin'ny dingana kaontinantaly, ireo solontenan'i Madagasikara... ♦ Mitaky ny hisian'ny solontenan'ny mpanao pôlitika ao anatin'ny CENI, ny vondrona Panorama, raha nifamory teny Soarano... ♦ Misy tsy firindrana ny fitantanana ny rano any amin'ny lakan-dranon'i Dabara, any Morondava. Mpamboly 3000 eo no mitaraina ho tsy ampy rano hambolena, ka nanome fe-potoana hitadiavam-bahaolana, hatramin'ny faran'ny volana marsa izao...
Ny fahatsiarovana ny maha olom-pirenena vanona dia mitondra fahatsaram-piainana sy fivoarana ary fandrosoana ao anatin'ny filaminana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco