♦ Nahatontosa ny atrik'asa fandravonana entina hiatrika ny Sinaody momba ny "Eglizy miara-dia", eo amin'ny dingana kaontinantaly, ireo solontenan'i Madagasikara... ♦ Mitaky ny hisian'ny solontenan'ny mpanao pôlitika ao anatin'ny CENI, ny vondrona Panorama, raha nifamory teny Soarano... ♦ Misy tsy firindrana ny fitantanana ny rano any amin'ny lakan-dranon'i Dabara, any Morondava. Mpamboly 3000 eo no mitaraina ho tsy ampy rano hambolena, ka nanome fe-potoana hitadiavam-bahaolana, hatramin'ny faran'ny volana marsa izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...