Alarobia 5 aprily 2023 — Alarobia Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 26, 14-25)
♦ Folo andro tao aorian'ny fanambaran'ny Firaisamonim-pirenena ny fisitahany tsy ho mpanara-maso intsony eo anivon'ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly, dia nilaza ho mbola tsy naharay ny fametraham-pialan'izy ireo ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Miisa 15 eo ho eo ny olona hanaovana fanadihadiana ara-teknika, momba ilay horonam-peo niparitaka, nifandraisan'ny Filohan'ny Repoblika sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmaria... ♦ Ezahana ho vitaina alohan'ny Fetim-pirenena ireo lalana ratsy sy simba ao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, na ihany koa tsy maintsy atomboka alohan'izay ny fanamboarana azy ireny, hoy Governoran'ny Faritra Analamanga...
Araka ny finoan'ny Malagasy dia mandeha ary mifindra any Ambondrombe ny fanahin'ny olombelona iray aorian'ny fahafatesana. Ho an'ireo foko any amin'ny faritra atsimo toa ny ao Amboasary-Atsimo, Bekily, Ejeda, Ambatomika dia misy ny atao hoe "mifoha maty" io ilay fantatra amin'ny hoe "maty im-pito" ; amin'ity tranga-piainana ity dia tsy misaraka amin'ny vatana ny fanahy. Ny teny malagasy dia vata fitehirizana ny soatoavina,ny fahendrena, ny kolontsaina ary ny riba. Ny "Ho" tia mariky ny filazam-potoana ho avy ; hatambatra amin'ny teny manaraka azy raha toa ka matoanteny fototeny no hialohavany. Fandaharana "Filira" sokajy "Fitsipika" iarahana amin'ny Foibe momba ny teny, ny Akademy Malagasy...
Manana zo hanohitra ny olona iray. Misy karazana 2 ny fanoherana dia ny fanoheran'ny tsirairay sy ny fanoheran'ny vondron'olona ; ohatra hoe mbola tsy vita ny fifidianana dia efa manohitr. Manana zo hanohitra amin'ny anaran'ny konsiasa na ny feon'ny heritreritra ny tsirairay. Ohatra : Rehefa mahakasika ny aina toy ny fanalan-jaza. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco