♦ Folo andro tao aorian'ny fanambaran'ny Firaisamonim-pirenena ny fisitahany tsy ho mpanara-maso intsony eo anivon'ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly, dia nilaza ho mbola tsy naharay ny fametraham-pialan'izy ireo ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Miisa 15 eo ho eo ny olona hanaovana fanadihadiana ara-teknika, momba ilay horonam-peo niparitaka, nifandraisan'ny Filohan'ny Repoblika sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmaria... ♦ Ezahana ho vitaina alohan'ny Fetim-pirenena ireo lalana ratsy sy simba ao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, na ihany koa tsy maintsy atomboka alohan'izay ny fanamboarana azy ireny, hoy Governoran'ny Faritra Analamanga...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...