Alarobia 16 desambra 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 19-23 — Tongava, ry Tompo, ary aza ela : vahao ny fatoran’ny vahoakanao.
♦ Fifanatrehan'ireo solombavambahoaka sy ireo ministra, etsy amin'ny CCI Ivato : anisan'ny tena itarainan'ireo solombavambahoaka ny tsy fandriam-pahalemana... ♦ Volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2021 : kasaina hahena hatrany amin'ny 20.000 Ariary ny fatana gazy ary ahidina ho 5% ny hetra alaina amin'ny fivarotana gazy... ♦ Fitsaràna miaramila : tsy misy fanasaziana na fanaboridanana olona hoy ny ministeran'ny fiarovam-pirenena...
Ny fandinihana ny fiaraha-monin'ny zava-mananaina rehetra no atao hoe "écologie". Antoky ny fahasalamana ny tontolo manodidina antsika. Raha misy fikorontanana ny manodidina dia misy akony ratsy foana, ny rivotra, ny rano sotroina, ny hazavana entin'ny masoandro. Mihena ny ely rehefa miaina ny fitsaharan'ny fadimbolana ny vehivavy, mila omanina ny fiatrehana izany amin'ny lafiny ara-tsakafo sy ny fisotroana rano ary ny fikoloana ny tontolo manodidina...
Alahady 13 desambra 2020 — Alahady fahatelo amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 6-8. 19-28 — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo : nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco