Alahady 2 mey 2021 — Alahady fahadimy fankalazana ny Paka — Mitomoera ao amiko, dia hitoetra ao aminareo Aho, hoy ny Tompo; izay mitoetra ao amiko no mamoa be — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8
Ny hery fiarovana ao amin'ny vatan'ny olombelona dia fitambaran'ny singa maromaro, miara-miasa sy mifandrindra asa, mitily sy misakana izay rehetra mety ho fanafihana mahazo ny vatan'ny olombelona. Mila kolokoloina ny hery fiarovana ao amin'ny vatana mba hahatomombana tsara ny asany.
♦ Notendren'ny Papa François ho evekan'ny diôsezin'i Tsiroanomandidy i Mômpera Gabriel Randrianantenaina. Nampahafantatra izany androany ny Ambasadin'ny Fiketrahana Masina eto Madagasikara... ♦ Hiteny amin'ny vahoaka Malagasy indray ny Filoham-pirenena amin'ny alahady izao, hampahafantatra ireo fepetra hampiharina, iadiana amin'ny Covid-19 ao anatin'ny 15 andro manaraka...
Ny fiantsoana ho amin’ny fanambadiana dia voasokitra ao amin’ny toetra voa-Janahary maha-lehilahy sy maha-vehivavy, raha vao navoaka avy tao amin’ny tanan’ny Mpahary izy ireo. Nohariana mba hifameno ny lehilahy sy ny vehivavy. Manamafy izany ny Soratra Masina : “Tsy tsara raha irery ny lehilahy” (Jen 2,18).
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco