♦ Tsy nifampitsitsy teny ireo Solombavam-bahoaka sy ireo Minisitra nandritra ny fihaonana mivantana tetsy amin'ny CCI Ivato androany. Fihaonana izay naharitra adiny sivy mahaery mialoha ny hamaranana ny fivoriana ara-potoana... ♦ Fanaovana tsinontsinona ny antso natraon'ny Fanjakana malagasy ary tsy mifananraka amin'ny fifanekena nataon'ny roa tonta hikatsaka vahaolana amin'ny fomba mari-pototra sy anaty fifanajana ny didim-panjakana navoakan'ny Governemanta frantsay momba ny Nosy Sambatra, hoy ny Fitondram-panjakana Malagasy...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...