Hamafisina hatrany fa ny fanomezana dia endriky ny fanehoana fitiavana. Zava-dehibe loatra io manao fanomezana io, hoy ny Soratra Masina : "mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray". Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Mba hahatratrarana ny tanjona ara-pahasalamana dia singa telo no fototra sy antoka tsara ananana : Sakafo ara-pahasalamana, torimaso tsara ary ny fampiasam-batana. ♦ Ny fandrindrana ny vohoka dia olana ho an’ny tokantrano sy ny tanora. Mandrisika ny tanora hiroso amin’ny firaisana ara-nofo ny fandrindram-piterahana ka tokony ho ny mpivady ihany no tena resahana azy.
Alarobia 24 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 12-19
♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy androany ny fanadihadiana maharitra eny anivon'ny tokantrano, taona 2021. Hampiasa ny teknôlôjia misy amin'ny alalan'ny tablette ny INSTAT, hanangonana ny antontan-kevitra amin'ny tokantrano manodidina ny 17000... ♦ Afaka misitraka ny tetiandrom-pambolena vaovao 2021-2022, ny tantsaha manerana ny nosy. Tetiandro nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy, androany teny Ankrondrano...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco