Alarobia 12 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 29-39

Fomba fitenintsika ny hoe : "manan-jara izay hitobahan'ny rony", kanefa koa tsy hadino ilay hoe : "ny valala tsy indroa mandry am-bavahady" ; manan-jara ireo olona akaiky an'i Kristy satria nino azy sy nahay nanatona azy, nitondra ireo nampijaly azy toy ny aretina sy ny geja maro samihafa mba hositranina sy homena hery ary hafahana amin'ny fatoran'ny ratsy. Tsy ny mpianatra ihany no naneho izany, fa ireo vahoaka nino sy natoky ary nitady azy, araka ny Evanjely henontsika teo.

Toy ny nataony fahiny, mandalo eo anivontsika mandrakariva i Kristy, miara-monina amintsika izy, manasitrana ny rofy mpanjo antsika, manafaka antsika amin'ny fatoran'ny demony sy ny endri-piainana feno haratsiana, indrindra amin'izao vanin'andro iainana izao. Araraoty dia ny mbola misy koa ny atao hoe "anio" mba tsy ho very fahasoavana isika. Ny androntsika ankehitriny, tsy hoe mampangetaheta azy fotsiny, fa fotoana hitadiavana sy hanatonana azy. Ao aminy sy amin'ny alalany no hahitantsika fahafahana marina, lavitry ny rofy sy ny aretina, hiaina am-piadanana, fa izany no taratry ny fanjakan'Andriamanitra tonga eto amin'izao tontolo izao.

Vao avy nankalaza ny Noely isika, fahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ho nofo, miara-monina amintsika. Mila maneho sy miaina ny fiainam-panahy aterak'izany dia ny "hahatonga ny tany ho fanjakan'Andriamanitra".

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...