♦ "Mila ezaka ny fiainana ny voady", io no hafatra napetraky ny Lehiben'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nandritra ny voady notononin'ireo frera 22 mirahalahy... ♦ Nandefa hafatra, manentana ny rehetra hihavana amin'ny voaary i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Ny fitoviana ao amin'i Kristy dia mandrava ny endri-pahasamihafana rehetra, hoy ny Papa François nandritra ny "Audience générale"...
Mila hamafisina ny fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy hoy Andriamatoa Zafisolo Louis, mpiompy any amin'ny Faritra Androy raha tiana ny hamaha ny olana mahazo ny mponinia noho ny fisian'ny kere. Manana toerana manokana amin'izany ny fiompiana osy.
Manandanja ny toeran'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona, eo anivon'ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny fiangonana. Manoloana ny rotorotom-piainana iainan'ny ray sy ny reny niteraka sy ny tanora, ary koa ny fandrosoana ny teknolojia vaovao sy ny fomba fifandraisana dia ilaina, indrindra, ny traikefa zarain'izy ireo, ny soatoavina sy ny kolontsaina hampitainy ary ny fahendrena azony omena.
Misy ny fiovana rehefa voaantso ny olona iray ; ohatra i Md Piera dia mpanarato trondro fa lasa mpanarato olona. Eo am-pandinihina ny antson'Andriamanitra miantefa amin'ny tsirairay dia fantarina tsara aloha ny tena sy ny maha-izy azy ny tsirairay. Ny olona nantsoin'Andriamanitra dia nanankinany andraikitra araka ny maha-izy azy avy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco