Ny fanatanterahana ny fanambadiana amin'ny hafa finoana dia ilàna fandinihana tsara. Manao fandinihi-tena tsara indrindra mandritra ny fifamofoana ka maka hevitra amin'ny pretra na ny mpitandrina. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Ny 22 jolay 1981, no nigadona tao amin'ny Distrikan'i Bemaneviky ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, namaky lay tao amin'io toerana io, nanao ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly... ♦ Notokanana tamin'ny faran'ny herinandro teo iny ny Immeuble Voary, trano foiben'ny Caritas ao amin'ny Diosezin'Antsirabe... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa, nandritra ny vavaka Angelus omaly, mba hanontany tena hoe : "Inona no tena fifandraisana marina amin'Andriamanitra, ary manao ahoana no namelomana ny finoana ?"...
Alahady 10 oktobra 2021 — Alahady fahavalo amby roapolo mandavantaona — Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 17-27
Ny fery-fanaviana dia avy amin'ny tsimok'aretina iray izay mety hisy fiantraikany amin'ny taova hafa ankoatry ny hoditra na ny taovam-pananahana. Izy io dia mety hakasika ny ati-maso. Ny fery-fanaviana dia avy amin'ny tsimok'aretina, "Herpes Simplex Virus", na HSV, izay misy karazany 2: HSV1 sy HSV2...
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco