Ny fery-fanaviana dia avy amin'ny tsimok'aretina iray izay mety hisy fiantraikany amin'ny taova hafa ankoatry ny hoditra na ny taovam-pananahana. Izy io dia mety hakasika ny ati-maso. Ny fery-fanaviana dia avy amin'ny tsimok'aretina, "Herpes Simplex Virus", na HSV, izay misy karazany 2: HSV1 sy HSV2...

HSV1 izay miteraka, fivontosana madinika na fery amin'ny hoditra, mpahazo matetika amin'ny fahazazana, dia areti-mifindra, ahatsapana fanaintainana. Io tsimok'aretina io dia afaka mijanona an-taonany maro ary mitranga amin'ny endrika fivontosana madinka na botsin-drano amin'ny molotra, na amin'ny orona, ny saokany, amin'ny tranga isan-karazany. HSV2 izay fery-fanaviana mitranga eny amin'ny faritry ny taovam-pananahana, ity tsimok'aretina ity dia mitovy amin'ny an'ny HSV1, izay miverimberina matetika, ary mifindra amin'ny fifampikasoana.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...