♦ Notontosaina omaly 5 nôvambra 2023 ny fanaovam-beloma farany an'i Mgr Antoine Scopelliti... ♦ Mangataka amintsika rehetra mba hivavaka ho azy, amin'ny maha mpiandry ondry azy, ny Papa François, ho an'ity volana nôvambra ity... ♦ Isaky ny alahady voalohany amin'ny volana nôvambra no natokana hivavahana ho an'ireo olona maty teny an-dranomasina, izay karakarain'ny "Apostolat de la Mer" ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina...
5 nôvambra 2023 — Alahady Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny Tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)
Ny "kyste" dia fivontosana misy rano. Ny "ovaire" dia taova kely ao anatin'ny taovam-pananahan'ny vehivavy, ny asany dia mamorona ny atao hoe "ovule" isaky ny tsingerina ary koa mamokatra ny tsirim-panentana (oestrogène, progésterone). Vitsy ny tranga mety hatonga io "kyste" io ho homamiadana. Misy karazany roa io "kyste de l'ovaire" io : ny voalohany dia ny "Kystes fonctionnels" mety hahazo an'ireo vehivavy anatin'ny sokajin-taona afaka miteraka, ny faharoa kyste organique. Ny antony : fikorontanan'ny tsirim-panentana ao amin'ny vehivavy, mety ho vokatry ny fihinana fanafody fanairana ny "ovulation". Ny kyste organique dia tsy azo levonina fa tsy maintsy mandalo fandidiana.
♦ Andrasana ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga ny nofo mangatsiakan'i Mgr Scopelliti androany alina... ♦ Nitsidika ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa nandritra ny telo andro ny Solontenan'ny Ray masina, Mgr Tomasz Grysa... ♦ Hitsidika an'i Dubaï ny Papa François ny 1 hatramin'ny 3 desambra 2023...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco