Mila mifanampy ny fianakaviana, ary atao zava-dehibe ilay fomba fiheverana malagasy hoe "tantsoroka sy valy tanana". Mampifanakaiky am-po ary mitondra amin'ny fifampitokisana sy ny fahatokisan-tena ny fifanampiana ary ahafahana mpampivelatra ny fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'i Jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fitondrana vohoka dia maharitra 9 volana. Ilaina ny fanaraha-maso ny vohoka manomboka amin'ny fahaefa-bolan'ny vohoka. Mbola ambony ny taha-pahafatesan'ny reny eo am-piterahana ; 70% amin'ny reny dia tsy miteraka any amin'ny tobi-pahasalamana fa any an-tranony ihany, ary izay no isany antony hisian'ny fahasarotana. Ireo fahasarotana mety hitranga : fahaverezan-dra be loatra, fanafian'ny otrik'aretina (sovoka), fivainganan'ny ra amin'ny faritry ny tongotra ary ny farany dia tsy filaminan-tsaina. 45 hatramin'ny 50 andro, aorian'ny fiterahana dia ilaina hatrany ny manara-maso ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, hisorohana izay mety ho fahasarotana, fizaham-pahasalamana isaky ny herinandro...
Alarobia 14 desambra 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Tongava, ry Tompo, ary aza ela: vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 19-23
♦ Miantso ny fampitsaharana ny fanapotehana ny firenena, izay mampitombo ny krizy ara-tsôsialy sy ara-toekarena efa iainanan'ny olom-pirenena amin'ny andavanandro, ny antoko Malagasy Miara-Miainga... ♦ Mihatsara hatrany fivoaran'ny asa ataon'ny firaisamonim-pirenena eto Madagasikara, raha ny tatitry ny fanadihadiana tamin'ny taona 2021 notarihin'ny Voaary Salama... ♦ Hankalaza ny faha-100 taonany amin'ny taona 2023, ny Antilin'i Madagasikara. Hatomboka ny 22 marsa 2023 ny fankalazana ary hotohizina hatrany amin'ny taona 2024...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco