Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey 2024, zo sy adidy ny mifidy. Raha olom-pirenena manana kara-panondro ianao dia mandehana manatanteraka ny adidy sy andraikitra amin'ny fampandehanana ny firenentsika. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny reny sy ny andraikiny, momba ny fanabeazana, manoloana ny zava-misy ankehitriny dia miatrika fanamby lehibe ary miteraka fahasahiranana. Ny fidangan'ny vidim-piainana, ny fipariahan'ny zava-mahadomelina, ny herisetra toy ny fanolanana, ny fisian'ny kolikoly amin'ny sehatra rehetra dia isan'ireo mahasarotra ny andraikitra momba ny fanabeazana iantsorohan'ny reny. Ny tosikin'ny teknôlojia sy ny fiovan'ny toetr'andro dia misy akony amin'ny fanabeazana ihany koa. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
22 mey 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-39)
♦ Miantso ny Malagasy hiaro ny demôkrasia sy ny tany tan-dalàna ny Vovonana Firainsankina. Mandika ny lalàna mifehy ny fifidianana ny Filoham-pirenena, hoy izy ireo, amin'ireo fitetezam-paritra sy fitokanana ataony... ♦ Miandrandra fandriamphalemana maharitra ao amin'ny Distrikan'Ankazobe ny mponina, manoloana ny vokatra sy ny ezaka ataon'ny mpitandro ny filaminana amin'ny fampandrian-tany ataony... ♦ Mihamihena tsikelikely ny tantely, tsy eto amintsika ihany fa eran-tany. Manainga ny rehetra hiaro azy ireny ny mpisehatra. Nivoitra izany androany nandritra ny fanamarihana ny Andro eran-tany ho an'ny Tantely...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco