Hifarana ny taona, ora vitsy sisa dia hivalona ny taona 2021, efa ao anatin'ny taona vaovao 2022 indray isika amin'ny herin'ny anio. Tamberina fohy ireo zava-nisy nisongadina nanamarika ity taona 2021 ity teo amin'ny sehatry ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra no hamaranana ny fandaharana amin'ity taona ity. Fandaharana "Hirika" tontosain'Andriamatoa Rakotoarison James Daniel, mpanao gazety eto anivon'ny Radio Don Bosco.
Maro ireo lohahevitra nifampizaràna nandritry ny taona 2021, nifampizaràna ary nahafahana nanasongadina ny hoe : fibeazana miaina sy mitia. Lohahevitra lehibe ny hoe : fifankaherezana sy fifanohanana, indrindra tamin'ny fiatrehana ny covid-19. Fintinina amin'ity fandaharana ity ny vita rehetra nandritry ny taona 2021 ka arahina tomban'ezaka.
♦ Mbola nohamafisin'ny Préfet-n'ny Polisy ny fepetra ara-pahasalamana tsy maintsy arahina ho fiatrehana ny faran'ny taona sy ny taom-baovao, eto amin'ny Faritra Analamanga... ♦ Misy ambadika pôlitika sy fikendrehana famotehana ny fitorian'ny Solombavambahoaka iray an'i Jean Nirina Rafanomezantsoa, raha ny nambarany androany... ♦ Basy 358 no nisy nanatitra teny amin'ny tobin'ny zandary tany amin'ny Faritanin'i Fianarantsoa, Toamasina ary Antsiranana, vokatry ny fanentanana nataon'ny Zandarimariam-pirenena...
Ny fomba fanehoam-pitiavana eo amin'ny olona roa, eo amin'ny mpifankatia, mpianaka, mpinamana dia mifototra koa amin'ny fifanajàna. Mampiavaka antsika malagasy ny fandrindrana ny fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fifanajàna, eo koa ny fifandraisana amin'ny zavaboahary. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco