♦ Notendren'ny Papa François ho Nonce Apostolique eto Madagasikara, i Mgr Tomasz Grysa... ♦ Nohamasinina ho pretra tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé, ny Diakra Raherisoa Athanase... ♦ Nanao fitsidihana pastôraly tao Anosimisaona, i Mgr Rosario Vella...
Nitondra ny anjara biriky tamin'ny asa fampivoarana ny seha-pamokarana teny ambanivohitra ny Foibe FAFIALA. Manamariika ny faha-30 taona nijoroany ity foibe manana ny foiben-toerana eny Ambohimangakely Antananarivo-Avaradrano ity...
Ny fifamenoana eo amin'ny ray sy ny reny dia ao anatin'ny fitsipiky ny fiainana. Maro ny sehatra hifamenoin'ny mpivady : eo amin'ny lafiny fivelomana andavanandro, fiahiana ny fiainan-tokantrano, ny fitaizana sy fanabeazana ny zanaka. Mba hatsara ny fiainan'ny mpivady dia ilaina ny fifanabeazana sy ny famaritana soatoavina iombonana ary ny lafiny ara-pinoana. Mivelatra ny fifamenoin'ny mpivady, indrindra ny fifandraisana amin'ny mpiara-monina, ny fananganana tetik'asan'ny fianakaviana...
Mila miresaka sy mifanakalo hevitra matetika ny zanaka sy ny ray aman-dreny. Atao izay hahatsapan'ny zanaka fa tia sy manohana azy i dada sy i neny, izany tsy midika hoe mampihanta azy. Raiso toy ny namanao akaiky ny zanaka, raiso toy ny olona misaina sy manomboka efa lehibe. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco