Alahady 11 septambra 2022 — Alahady Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-32
Ny volana septambra dia natokana ho fanamarihana ny fisian'ny aretina alzheimer fa ny faha-21 septambra no tena andro manera-tany fanamarihana io aretina io. Ny aretina Alzheimer dia aretina izay manimba tsikelikely atidoha sy ny sela tena ilaina. Tamin'ny taona 1906 : Dr Alois Alzheimer, manam-pahaizana momba ny aretin-tsaina, no voalohany namariparitra, tamin'ny alalan'ny fanaovana "autopsies", io aretina io. Fambaran'ny aretina alzheimer : fahaverezan'ny fitadidiana mety ho resaka, endrik'olona, fomba na asa andavanandro, eo koa ny fiovan'ny toetra amam-pitondrantena...
♦ Tanora dimy ambin'ny folo mirahalahy no nanonona ny voady voalohany ho an'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco, ny alakamisy 8 septambra 2022... ♦ Tontosa ny 8 septambra 2022 tolakandro ny Eokaristia Masina, fanaovam-beloma farany an'i Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan'Antsirabe...
Nofaranana androany 08 septambra 2022 ny tetik'asa fikarohana momba ny voly vary FYVARY. Tetik'asa ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana nanomboka ny taona 2017, izay famatsiam-bolan'ny governemanta malagasy miaraka amin'ny governemanta japoney ny FYVARY...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco