Mba hiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary dia ilaina ny fanaovana jeri-todiky ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy. Ny tontolo iainana no miantoka ny fiainantsika olombelona. Ny tontolo iainana dia harena voajanahary : tany, rano, vato, olombelona, zava-maniry, biby an-tanety sy anaty rano... I Madagasikara dia manana harena voajanahary betsaka ara-tontolo iainana. Fototry ny fiarovana ny tontolo iainana ny fikarohana sy fandalinana natao, mba afahana mamaritra izay tokony hatao dia io ilay atao hoe politikam-pirenena ho fiarovana ny tontolo iainana...
6 desambra 2023 — Alarobia, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Tongava, ry Tompo, ary aza ela; vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 15, 29-37)
♦ Nankatoavin'ny Papa François ny fangatahan'i Mgr Vincent Rakotozafy, hitsahatra amin'ny fitantanana pastôraly ny Diôsezin'i Tolagnaro. Notendren'ny Papa handimby azy i Mompera Luc Olivier Razafitsimialona... ♦ Amperin'asa nanomboka androany ny paikady hiatrehana ny asa hotanterahana amin'ny taona 2024 hatramin'ny taona 2028, ho an'ny Sampan-draharaha misahana ny fandrakofana ny harena azo tamin'ny fomba tsy ara-dalàna na ny ARAI... ♦ Nanomboka andraony ny fanamboarana ny làlana eny amin'ny fasan'ny karana, ao Antananarivo Renivohitra...
Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Vincent Rakotozafy, hitsahatra amin’ny fitantanana pastôraly ny Diôsezin’i Tolagnaro, noho ny fahatrarany ny fetra-taona, ary notendren’ny Ray masina handimby azy i Mompera Luc Olivier Razafitsimialona, Économe ao amin’ny Seminera Zokiny Masindahy Joany Batista, Vohitsoa, Fianarantsoa.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco