Saro-pady ny maso ka ny hany fahendena dia ny fanatonana mpitsabo, raha vao misy fisehon-javatra hafahafa eo amin'ny maso. Mizara ho faritra roa ny maso, ka samy mety ho tratry ny aretina na hisy tsy fahatomombanana, na ny faritra anatiny na ny ivelany.
♦ Antsoina hiaina ny fanantenana feno hafaliana, miasa sy tia mamorona: io no lohateny ho an'ny Andro eran-tanin'ny MDMK-CVX, izay ankalazaina isaky ny 25 marsa... ♦ Hetsika fambolen-kazo izay tafiditra aoa anatin'ny fankalazana ny faha-150 taona nahaterahan'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely, no entin'ireo avy eo anivon'ny AMLT hanombohana ny taom-pankalazana... ♦ Naneho ny alahelony tamin'ny fahafatesan'i Mgr David O'Connell, Eveka mpanampy tao Los Angeles, tamin'ny alalan'ny telegrama izay nosoratany ka nosoniavin'ny Kardinaly Pietro Parolin...
Mitondra ny fahaiza-manaony miaraka amin'ny mpiara-miombona antoka amin'ny fandrakofana ala an'i Madagasikara ny Foibe Fafiala, manana ny foiben-toerany eny Ambohimangakely, Antananarivo Avaradrano. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy ny zoma 24 febroary 2023, ny fiaraha-miasan'ny Foibe sy ny Conservation International.
Efa tsy azo ihodivirana ny firoborobon'ny tontolo nomerika noho ireo voka-pikarohana vaovao sy ireo teknôlôjia nomerika. Misy fanabeazana tsy maintsy atao anefa mba hanafoanana ny elanelana misy eo amin'ny lahy sy ny vavy amin'ny fahafahana mirotsaka sy misehatra ao amin'ny tontolo nomerika.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco