Alahady fahatelo fankalazana ny Paka : velona marina i Kristry ; voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo, ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao. Resaka finoana ny fitsangana-ko velona ka tsy maintsy mijery amin'ny masom-pinoana sy fihainoana amim-pinoana isika. Toetry ny olona maro ankehitriny ny fisalasalàna sy ny tsy finoana, mbola maro ny tsy miditra am-piangonana na manao ezaka lehibe aza ireo tompon'andraikitry ny Eglizy. Tena velona marina i Kristy ; tsy azo sarahina ao amin'ny tantaram-pamonjena ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, efa voalaza ao ny tantara nisy sy ny ho avy izay iraka ho fitoriana ny Evanjely, hatramin'izao iainantsika izao...
14 aprily 2024 — Alahady Fahatelo Fankalazana ny Paka — Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 35-48)
♦ Notanterahana ny 8 hatramin'ny 11 aprily 2024 ny fivoriana ara-potoana fanaon'ny Jutice et Paix isan-taona, ka nentin'izy ireo nanomezana hafatra ho an'ny vahokan'Andriamanitra... ♦ Hotanterahana ny alahady 14 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka sy fametrahana eo amin'ny fiketrahana maha Eveka hitantana ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Razafinirina Jean Désiré... ♦ Anisan'ny herim-panahy mahatonga tena handresy ny ratsy marina tokoa ny faherezana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nentiny tamin'ny Audience Générale, tamin'ny alarobia 10 aprily 2024...
Manohana fikambanan'ny tantsaha eto Madagasikara anatevina ny sehatr'asany amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra ny tambazotra iraisam-pirenena misehatra amin'ny fampiofanana amin'ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR. Voafidy anatanteraka ny tetik'asa FI-FAR eto Madagasikara ny tambazotra Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco