♦ Telo volana tsy nandray vola ireo mpamatsy entana sy fitaovana ny minisitera sy ny sampan-draharaham-panjakana isan-tsokajiny. Nanao hetsika fanairana izy ireo androany, rehefa nilazana fa tsy misy vola ny fanjakana fa ny karaman'ny mpiasa no laharam-pahamehana... ♦ Mitaraina ireo mpitatitra entana amin'ny RN-6, fa misy fakana vola atao amin'ny mpamily fiarabe, vao afaka miampita ilay fivilian-dalana alohan'Antsohihy... ♦ Nitokona ireo mpianatra mipetraka eny amin'ny tranon'ny Oniversite eny Ankatso, noho ny fahatapahan'ny famatsian-drano amin'ny trano fonenana, efa dimy volana mahery izao...
Ny faharerahan-tsaina dia miteraka famoizam-po. Ny famoizam-po mitondra ho any amin'ny famonoantena. Mba hisorohana zavatra maro dia ilàna fitandremana ny "faharerahan-tsaina". Fandaharana "Mba ho vanona" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Alarobia 1 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 1-6)
Ny voambolana "Hefina" sy ny "Aro" dia misy heviny maha samy hafa azy. Ny hefina dia fiarovana mba tsy ho voakasika isany fifampikasoana malefaka, ohatra hefin'akanjo (blouse); ny aro kosa dia hampiasaina indrindra amin'ny izay tsy havoa ny loza na dona na ako zavatra iray, ohatra arokòna na arodona (pare-chocs). Ny tovona "hay" dia entina hanamarihana fahaizana mifehy zavatra iray, ohatra Haitao vaovao. Fandaharana "FILIRA" iarahana amin'ny foibe momba ny teny, ny akademy malagasy.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco