12 aprily 2023 — Alarobia amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)
♦ Nahitana anarana miverimberina maherin'ny 379.000, tao aorian'ny fanadiovana ny lisitry ny mpifidy, azo tamin'ny fanavaozana faobe nataon'ny CENI. Maherin'ny 9.623.000 ireo voasoratra anarana ao anatin'ny lisitra nifarana vonjimaika androany... ♦ Niantso ny fanjakana hanaja ny fahafahana maneho hevitra, ny antoko MMM. Voafaritra tsara ao anatin'ny Lalam-panorenana napetraky ny Filoha ankehitriny mantsy izany, hoy ny MMM... ♦ Hamafisina sy hatsaraina ireo ezaka efa natao amin'ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana eto amin'ny firenena. Nivoitra izany nandritra ny dinika niarahan'ny Minisitra telo misahana ny fiarovana sy ny fitandroana ny fandriam-pahalemana, eo anivon'ny Governemanta...
Ny Fangorahana, lalan’ny sinody, araka ny voalazan’i Jesoa ao amin’ny Joany 12, 8 dia : "hisy mandrakariva ny mahantra" eo anivon’ny fiaraha-monina misy antsika. Matetika ny fiheverana ny fahantràna dia miainga amin’ny lafiny ara-materialy ihany, tsy fananam-bola, tsy fisian’ny hanin-ko hanina, mitafy voron-kitsay, trano tsizarizary. Ny fahantràna ara-tsaina ihany koa dia efa fahantràna, fa indrindra ny ara-panahy. Katesizy momba ny fiaraha-monina, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Ketsa Saraka, na fafy saraka, ahazoana 10 taonina isaky ny hektara ny fampiharana ity teknika fambolem-bary nokarohany ity hoy jeneraly Rabemanantsoa Robert. Milonjehatra ny salohim-bary eny an-tanimbarin'i jeneraly amin'izao volana avrily izao. Tsy ho ela dia hampiaka-bokatra izy. Manam-boninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro ; liana tamin'ny voly vary.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco