♦ Nahitana anarana miverimberina maherin'ny 379.000, tao aorian'ny fanadiovana ny lisitry ny mpifidy, azo tamin'ny fanavaozana faobe nataon'ny CENI. Maherin'ny 9.623.000 ireo voasoratra anarana ao anatin'ny lisitra nifarana vonjimaika androany... ♦ Niantso ny fanjakana hanaja ny fahafahana maneho hevitra, ny antoko MMM. Voafaritra tsara ao anatin'ny Lalam-panorenana napetraky ny Filoha ankehitriny mantsy izany, hoy ny MMM... ♦ Hamafisina sy hatsaraina ireo ezaka efa natao amin'ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana eto amin'ny firenena. Nivoitra izany nandritra ny dinika niarahan'ny Minisitra telo misahana ny fiarovana sy ny fitandroana ny fandriam-pahalemana, eo anivon'ny Governemanta...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...